<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Sunday School Union</author>
<hymn_number>362</hymn_number>
<title>Tsy fantatrao va Ilay namonjy anay? FFPM362</title>
<lyrics>[V1]
 Tsy fantatrao va Ilay namonjy
 anao ?
 Ry havako ory izao ?
 Mitady anao Ilay namonjy
 anay.
 Maniry hamonjy anao ;
 Mihainoa ny hamonjy anao
 Manao hoe : &quot; Manatòna
 anio,
 Na dia be aza ny ratsy
 natao,
 Dia mety ho afaka izao. &quot;

[V2]
 Fa tonga tatý Ilay namonjy
 anay
 Ka nampijaliana tokoa ;
 Ny rany izay namonjeny
 anay
 Hamono ny helokao koa ;
 Mihainoa ..sns.

[V3]
 Misento anao Ilay namonjy
 anay,
 Ry olo-mahantra atý !
 Tomany anao Ilay namonjy
 anay
 Fandrao dia ho very arý ;
 Mihainoa ..sns.

[V4]
 Henoinao izao ny hamonjy
 anao,
 Hiadam-pinaritra am-po ;
 Faingàna handray ny homeny
 anao
 Dia lova tsy mety ho lo ;
 Mihainoa ..sns.</lyrics>
</song>